You are here: home > Vetso

IANAO IRERY IHANY - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

Mbola manantena anao
'lay olon-dasanao fahiny
Mbola ny "anaranao"
No famaritany ny "tiany"

Mbola tiany loatra ianao
Ao am-pony sy lalainy
Mbola ny eo akaikinao
No ampitony ny adi-tsainy

Efa be no nandondona
teo am-bavahadi-pony
Fa nodiany tsy tsaroana
Ireo fitiavana nikomy

Efa be no mba nikasa
handimby toerana anao
Saingy tsy naazo laka
ka naleony dia nandao.

Fa ianao irery ihany
no hany tokana aman-taniny
Eo anilanao hatrany
No hahatò ny nofy maminy

Eny, ianao no lohataonany
sy diavolam-pararanony
Eny, ianao no ambohi-pihaonan'
ny hasambaran-tokan-tranony.

ANJARIVO Ronsard

Hevitra mandeha

mider (05/03/2013 12:38:07)

Manan-talenta tokoa ny gasy ka mahereza tompoko eo ambanin'ny fahasoavan'A/tra

Ronsard (18/03/2013 15:30:50)

Mankasitraka tompoko!