You are here: home > Vetso

NY FANANTENAKO ANATY NY SAROTRA - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?


Sarotsarotra ny eritreritro voasoritsoritro
ho saritsari-pahasambaran-tsy ho lany
Raha hiofo paradisa ity tany

Tany dibo-pahoriana
Tany difitr’akiviana
Tany safo-dranomaso
Tany rakotry ny ankaso

Mbola ho nofinofy koa
Ireo rofirofi-pahantrana
Raha hivadi-batosoa
Ka ho foana ny hadalana
Eto Manankasitsara
Nosy mamiko malala

Tany fefik’afetsena
Tany vitsy fahendrena
Tany voki-ndrisoriso
Tany enik’evi-diso

Zaho anefa manantena
Mbola hisy fandresena
Any ankoatran-drahona any
Ho an’ireo izay mankamamy
Miaradalana amin’ny Tompo
Manana fanahy manompo

Efa tsinjoko sahady
Izany tonitonin-tsaina
Rehefa mby ambavahady
Vavahadin’ny maraina
Vavahadin’ny naharitra
Vavahady ao an-danitra!

Amin’izay vao tena ho azoko
Ny valin-katsebohako
Nanondrahako ny taniko
Amin’izay vao tena ho to
Ny valin-kafanam-po
Nanompoana  ny Tsitoha

Any ho foana sy ho dila
Fitsarana mitanila,
Soa sy ratsy mifangaro
Amin’io ho habaribary
Ary haseho ankarihary
Ireo tsiambaratelo maro!

Amen!

RONSARD