You are here: home > Vetso

NY HANITRY NY LASAM-PITIA - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

     Manarak’eny foana akia
Ny emboka navelan’ny afon’ny fitia
      Niarahako tamin’dry
     Manalok’eny foana akia                              
Reo bitsika niritsoka tan-tsofi-nampangia
      Nihira ny ho doria

     Tsy mbola hay fafana akia
Ilay soratra niarahana nanoritsori-bina
         Nasesi-paniriana
     Tsy mbola  hay vahana akia
Ireo tady tsara fatotry ny lasam-pifaliana
         Sy ny andro nihoriana

     Mamerovero foana akia
Ny hanitry ny lasa dofahan-tsento lalina
      F’indrindra rehefa alina
     Mivadibadi-pandry akia
Tsy mahita tory, midiry tsy anki-janona
      Ny mason’ny olo manina
        
                                    ANJARIVO Ronsard
                                    03 Aogositra 2006