You are here: home > Vetso

14 febroary - hjravs

14 Febroary

Tsy hoe folo efatra amby
indray 'ty Febroary
dia hofenoina tambitamby
sy haseho miharihary
fa mifankatia isika;
ka tsy maintsy adika
amin-tolom-panomezana
mba entina amehezana
fa lafatra tokoa
ny fitiavantsika roa.
Ny hoe mifankatia
anefa, retsy, akia
tsy fihatsarambelatsihy,
fa mandavan-taona
tsy hamerana fotoana,
dia fety foana foana,
Ary ankalazaina
hariva s'y maraina,
Alina sy atoandro
fa tsy hisafidianana andro,
tsy hoferana amin'ny daty,
tsy hadera hirantiranty.
Fa isika ihany
no mankalaza izany.
      hjravs.

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha