You are here: home > Vetso

ALEOKO - hjravs

Azo vakiana?

                 ALEOKO...
             Raha hiray latabatra
             amin'ny olona ahiana
             fa hamorika ahy.

             Na hiara-hivalapatra,
             hiray fandriana
             amin'ilay rafilahy.

dia aleoko ho noana,
mihafihafy foana
fa milamin-tsaina;

aleoko ihany
miladina an-tany
tsy mitaintaina?!

            Raha hinamanamana
            amin'ny olona izay
            tsy dia madio fo;

            Na 'ndeha hiara-dalana
            amin'ny akama iray
            bebe mokon-doha!

Dia aleoko ihany
ho tokana hatrany
raha ho ratsy ny roa;

aleoko irery
kanefa tsy very
fa ho tody soa!
                   hjravs (kanto arindra)