Lazao azy... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAZAO AZY.....

Raha ho any anao anio dia lazao izy, fa sarotra hoe ny mikosok'ireny tadidy salovana
raha mihaona ianareo aza avela hidify
fa mafy hono hoe ny mandrava tsiahy
mahadiranovana
raha tojo azy ianao ka mety ho henony
dia mba lazao azy ny vesatra am-poko
mitolokoloko
raha tsapanao eto ampitao any aminy
ny alahelo ny sento sy ambiny
mampisafoto
fa hafan'ny omaly iny ka niova loko

Raha toa tsy ho reny na hodiana tsy fantatra, alao tsy manino
f'iny toa inona
aza hampitaina, aza misasatra miandry
famaly fa tsy ilaina zany
anky ho z'inona
fa hikosok'eo foana ny dinitra an-taona
raha tsy takany, fa misy fanolo
ny lasa tavela
raha ho any anao harantio fotsiny ihany
reny taraina miaro tomany
aza mijanon' ela
fa izy lay fitaka anatin'ny toky
mora mandavo ny dina hifanaovana
ho fanadino
raha ho any ianao lazao azy fotsiny
fa reny no fery ho tonga ho olatra
aminy mino
ka tsy hitakosina haharitra an-taona
fa handalo hiserana ho lavo eny foana

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
886 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJY
Nampiditra : iavotraina
Daty : 28/08/2014 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142