FETRA... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fetra...

ny nofin'ny omaly ra toa ho tontosa
mety ho fitiavana be miavosa
fa saingy ny rindrina tsy azo rodanina
reny ve sakana sa haro-fanina

mety ny jaly tahirin'ny fo no lamba irakofana
fa ny tomany asetriny koa tsy azo ivalozana
ra toa ny tiana hihantahantana no zary manaikitra
dia toa pahana foana ny lalan-kombana, dita miraikitra

raha ny safidy, hametraka fetra ho azy tsy any
ny sai-be filaza no mipararetra fa ny fo ts'izany
milamina foana ny anilan'ny tiana tsy mety mangina
fa mirodo fikasa ny sai-mitanila hanova famindra

mantsy...

Anio misy jaly omaly tomany, ampitso ho faly
dia toy zany mihitsy ny firodorodo ny fiainana an-tany
rehefa ny kina no tonga ho tsapa toa mainty fisiana
dia mangina ho azy ny lokaloka sy ny faniriana

nefa...

tsy sary voasokitra ho vongan-tsodoko ny jaly miserana
ka hampijaliana ny fo misarangotra ho tompon-toerana
fa ra mandao ny kinasa ka tonga faniry, ny ho eo anilany
dia miandry safidy, hanangona didy, ny kely mangirany

fa..

Azy ny tsapa, izy no fetra, tsy misy fanery
ny pahana iany no tsy dia mahita ra diso fijery

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
792 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138