FITSIRIRITRA (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITSIRIRITRA

Ny fitopanao niserana
nanaloka ny masoandroko
iny mitataovovona
efa drodrok'hasasarana
ny hafanana tsy noferana
novelarinao tsy miato
ho zary rivo-pahafahana
hiangolan'ny vetsovetso
ny hariva efa hadiva hody alina
no antsa zary sento lalina tanaty

f'ireny mantsy....

tsy mba tsihy no vinelatra
hiangotiana fanajana ny vahiny
fa simenitra voafeta
mba haharitra an-taona, ho faniriny
dia teo iany rony sary*
no narantin'iny fo tsy hay hatony
ka ny marai-misandratr'andro
no lokoin'ny masoandro
ho sodoko zary kalo ref'injao

fa taminao...

ny hantahanta tsisy farany
ho fitia zary angola lalim-paka
dia...nisafoto tao an-tsainy ko ny lasa
raha ireny no sodoko zary hosotra
an-tava
ka ny hariva efa hadiva ho lasa alina
hazava, ho sandratr'andro
handoky lapa lay fitia

satria....

teto iany fa tsy tany
nofinofy zary sary
fiangoty tsy voampita
tsy fitia fa tsiriritra...

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
860 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJY
Nampiditra : Iavotraina
Daty : 22/02/2014 08:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141