HO NOFY... (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO NOFY...

mba tiako hisambarana iny tokontan'iny
tiako hivalamparana ny fo sy faniriny
iriko mba ho ahy ny nofiny ho anao
rony vetson'ny fanahiny no tiako ho anatiko ao

dia tiako hisalovanana ny toerana fibodony
tiako ho somparana ny gadona firodony
iriko ho izaho no analoka ny anarany
ka ny fitia anatiny ao ho vetsoiko tsisy farany

fa tiako alaina ho samborina an-keriny tsy fantany
tiako mafy ho songonina ho fafaina ny anarany
iriko izaho no ho famafa zay napetrany am-pitia
dia hilefitra tsy satry zay faniriny anao doria

nefa...

tsapako anaty fa tsy an-tery ny fitia
ka na hiady mandra-maty tsy hahaleo ny safidy
fa zay voasoratry ny fony tsy ho azoko soratana
dia angina sy hitony, lay faniriana diso lalana

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
865 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJY
Nampiditra : iavotraina
Daty : 22/03/2014 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135