HISOLO AZY...HAMPANADINO (Iavotra RAMANAMPAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HISOLO AZY...HAMPANADINO

Velomy ihany ny sioka ny manina
fa izy vao any ary ho tafajanona
tsy tsarony intsony ny lalana mody
manadino azy zao no toa fanafody

kaloy ihany ny rojo-dranomaso
fa mahery fitraotra ny onjan'ankaso
eto tsy any, ny any tsy eto
ka ho valaka foana raha hisentosento

marary anaty ny ngidin'ny afero
fa tsy tazan'ny maso ny orok'avelo
ianao ho sina raha hiandry ny dila
manova no mety havadio ny kapila

dia hiara hikalo naoty vaovao
hitafa ny siry izaho sy ianao
fa ampy ny fiandry ny hafa tsy ho avy
izaho eto vonona hameno zay tsy ampy

tsy hanararaotra ny fahabagana
fa tena fitia koa no tiako ho hiraina
ny lasa hipody nofy iny sisa
fa aleo banjinina ny ho avin-tsika

hanorina lapa sy kianja vaovao
hiaraka hitafa izaho sy ianao
hajanony ny sioka sy vetson'ny manina
fa ny dila tsy hipody any no tafajanona

mantsy...

izy no any, f'izaho no eto
hampangina ny tsiaro sy ny vetsovetso

Iavotra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
725 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Iavotra RAMANAMPAMONJY
Nampiditra : Iavotraina
Daty : 10/03/2014 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139