You are here: home > Vetso

TSIKY - ILIMIM JIVISDI

Efa fatram-piangola
Voninkazo ianao ry aina,
Mody sina takariva
Fa baliaka vao maraina,
Ka ny maso no maniry
‘Zato tsikinao sariaka
Toy ny raozy vao mitsiry
Etsy anivon-jaridaina.
Dia mahalasa saina,
Mahatoro ny vinany.
Efa fatram-piangola
Paradisanao ny tany…
Fa ny amiko tsy laitra
Aloka aza voazaitra
Sendra ravina efa maina
Rivotra aza mahataitra.
Dia tsy mora velively
Bozaka voafato-tady
Vao nomenao tsiky kely
D’ efa babonao sahady.

Ilimim Jivisdi
By J.J.F

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha