VAVAKA! - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Tompo ô!
Aoka re raha azo atao
Aza Ariana fa hiantrao
Ity mpanota mitalaho
Mitady fiainam-baovao
Efa maro ny adalako
Sy ireo vokam-pahotako
Aoka re ny fahazazako
Ho mendrika mba andovako
Eo an-tratranao irery
Arovy re mba tsy ho very
Tompo ô! Ao am-poko re mba misy
Hazavana ho dradraina
Saingy indro fa indrisy
Efa voky ferinaina
Ka tsy afaka manaotra
Fa aminao irery sisa
No anaterako ny dia,
Fa ny lalam-paradisa
Mba omeo ry tompo tia!
Amen!
ILIMIM JIVISDI
Sokajy :
Fiderana, sitraka sy setriny
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/08/2019
Mpamangy : 637
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY
Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !)