VOADY MANDRA-MATY - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Masina ny toky izay omeko
Teny kely iray ho dradraiko
Ianao irery ihany no ekeko
Ho paradisan-tany sombiniaiko
Ny molotro hanoroka anao
Ny masoko handà ny valifaty
Ny peratra raha toa ka sitrakao
Ho taratry ny voady mandra-maty
Voady izay tsy hanam-pahataperana
Ho toky eny ambony alitara
Fitiavana efa tsara toerana
Ka anatry ny dimby sy ny fara
Tiako ianao, eny nofidiako
Ho ravakin’ny fiainako tontolo
Voady mandra-maty no iriako
Ho fitia anolon-droa voakolokolo
Iriako mba aharitra, hateza
Ny fontsika roa te hiray
Avia ry Malala, mahereza
Fa izaho ho anao mandrakizay
ILIMIM.JIVISDI
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/08/2019
Mpamangy : 853
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY
Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !)