ALINA IRAY - ILIMIM JIVISDI
Nitroatra ilay fitiavana izay niredareda
Tsy nanaiky intsony ka nofohazinao ry ela
Ilay oroka nafana, to anatin' indray alina
Nitarika hadalana, tsy takatra takarina
Ilay feonao niantefa, tsara sady tony
nandrendrika ny sambo, tany anaty ony
Fitia daholo ireny tsy nifanomezan-tsiny
Ny masonao mihitsy, no nambabo ahy tamin'iny
Ilay tànanao namikitra ahy mafy
Nisy sefosefo nibosesika tsy tanty
Niraikitra ho tsiaro mipetraka ato anatiko
Ilay alin-diarintsika, nofy sa nindramiko ?
Nisy fahatsapana, izay tena mbola tsy hay
Ngamba lanitra fahafito sa paradisa iray ?
Fotoana voalohany nitambarantsika ho Iray
Na Fy aza hoy aho, izay ny vita aok'izay !
14 novembre 2019
9:30 alina
Mpanoratra
Felan' Angoty
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 14/08/2019
Mpamangy : 803
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !)