You are here: home > Vetso

ILIMIM JIVISDI

"RONGONY ARA-DALÀNA IARAHAN' NY MPANORATRA MIFOKA NY ASA SORATRA."

"Indro àry ny Ronjim-pitia vitsivitsy fa mafonja, kelikely fa manaitra; andran-tsira ihany angamba e! Santatra am-bavarano iany fa ny manetra be mbola ho avy, hoy ny fisaintsainanay roa lahy eto ampibanjinana izato “singan-bolo” izato! ".
"Mino anefa izahay fa n’iza poëta mandia ny lalan’ny ventsoventso, dia tsy mainty koa mihira
ny fitiavana. Dia orohy ary ny hanitra araraky ny vonifanja eto am-pisetraina tadio e!

Izahay roa lahy."

ILIMIM JIVISDI
Mpanoratra & Poeta

JJF (Jean Jacques Fredi)
Mpanoratra & Poeta
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jjf-jean.jacques.fredi

Hevitra mandeha

ILIMIMJIVISDI (20/10/2017 18:31:29)

DITRAN'NY FAHATSIAROVANA
Maratra ny foko kanefa
Tsy maintsy voatsabon'ny ela
Ny onjam-pitia niantefa
Ny aretiko sisa tavela...
Ny masoko kotsan-tomany
Ny saiko toa sasatra foana
Mandinika lava ny tany
Ny fitiavako kay mba misaona...
Dinidinika an'habaka irony...
Be tsiaro ka mahita faisana
Ry volana soa eny ambony ô !
Nodimandry ny toky niraisana.
Dia torana lava ny saiko
Tena safotry ny zava-bita
Mbola fiainana iray tena tsy haiko
Efa rendrika vao hiampita ! ...
Fahatsiarovana izany, tsiahy
Maditra tsy azo tenenina
Mikiky ny aty fanahy
Manangatra sarotra afenina
Fahatsiarovana izany, tomany
Senton'ny ela natao
Ny maty aza ho'aho vovo-tany
Mbola nofo ao anatiko ao.
Dia etsy ry volana ambony
Honony ny foko torovana
Bedeso RaKintana irony ô !
Ito DITRAN'NY FAHATSIAROVANA.
♛DUVERGER♛
_░▒███████

Hametraka hevitra

Midira aloha