HETRAKETRAKY NY TANY - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Ny hetraketrakao ry tany mafy loatra ka tsy zakako
Fa mampiferinaina hatrany , mampody indray izato lasako
Ny lasako izay feno kiry, alahelo anolon-tiana
Tantara ratsy voatahiry ka nokoboniko mangiana
Dia noho ianao ianao ry tany, miangatra anjara vilana
Ka ny foko mitomany sendra anjara mitongilana
Vao nitia aho dia voarara tsy mba manana safidy
Fa ilay Malala tsy anjara, no tamberina tadidy
Ka ranomaso lava izao, no ventsoventso mampiray
Fa noho ilay hetraketrakao dia tsy voalahatra ny anay
Ilimim JIVISDI
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/08/2019
Mpamangy : 478
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY
Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !)