TARAINAN’NY BANDY - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Be ny sipa mikafara
Manambany fa hoe tsara
Ka ny bandy mitomany
Atao fitaovana hiasany
Nareo vehivavy mati-kambo
Ka manao fihaza lambo
Isan’andro dia mandripaka
Ka ny toky lasa fitaka
Dia taraina no mivoaka
Ho an’ny bandy tsisy apoaka
Tsisy toerana satria
Tsy mba afaka mitia
Antso avo ho anareo
Sipa mbola miaka-peo
Raha toa ‘nareo hitady harena
Aleonay mamono tena
Ka izao tarainanay izao
Mba henoy raha azo atao
Fa mitaraina, miangavy
Amin’ nareo ry tovovavy
Ilimim.Jivisdi
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 21/08/2019
Mpamangy : 575
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
ALINA IRAY
Olon-tiako Vaovao (RAIKITRA !)