You are here: home > Vetso

Tsy hahasaraka ahy - Joh

Ry tiako, ry tsy foiko
Nandao ahy lavitra any
Nahoana ianao no namela ahy hitomany
Torovan-tsento loatra anie ny foko
Satria ianao ilay tiako
Nahafoy ahy ka nandao ahy
Nahoana loatra lahy
Rahoviana vao hiverina
Ka tsy hahasaraka ahy

Raha hody ka hiverina
Ianao ry sombinaiko
Hitsena anao tokoa anie ny foko mbola tia
Ho feno tsiky sy hehy ny foko
Satria ianao ilay tiako
Hiverina ka ho tia ahy
Hitoetra ka tsy handao
Ho anilako mandrakizay
Ka tsy hahasaraka ahy

Sokajy : Alahelo, FITIAVANA

Mombamomba

Mpanoratra : Joh

Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 03/05/2005
Mpamangy : 1155
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

NY FITIAVANTSIKA ROA
Noely
TIA2005
Tiana
Neny o!
Ry tiako
Ry taniko!
Ny sigara
Ratram-pitia
Kanto

Hevitra mandeha

tia2005 (04/08/2005 14:04:15)

mahay enao wa! fa d tena heritreritra b fotsiny izany?

Lepetitbeau (04/08/2005 14:19:14)

Tena eritreritra io e! de atao izay mahamety azy

vonimboasary (04/08/2005 17:01:55)

Eny e!
tena eritreitra marina marina ilay izy e!
tena miaiky za fa tsy lainga e!
mampazoto anao hanoratra foana e!

Hametraka hevitra

Midira aloha