You are here: home > Vetso

Poeta maratra - Rahira

Nisy vovoka malefaka
nanditsoka fanahy .
Dia injao manganohano
kanefa toa tsy mamo fa
dinelin'eritretra
nanaloka tsy niera,
nitondra irony tsiaro,
nitondra irony tsiahy.
Dia indro izao ny fony,
tena tsy hay intsony fa...
amorondranomaso
mibanjina ilay sary.

Dia injao manganohano
kanefa toa tsy mamo fa
sempotry ny sento
mipongatra ao an-tratra.
Poeta.....Maratra.

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha