You are here: home > Vetso

Setrin'ilay fitia natolotra - ny eja

Tia anao  aho...
Fa tsy  nosaininao
Tia anao  adala,
Dia niantso  anao  malala
Tanaty  eritreritro ...

Ianao  ninia nikipy
Nandositra ny  tsikiko
F'ilay  fitiavana ahy
Dia ho fankampanahy !

Tia anao  aho,
Saingy  efa nihonona
Novoriako  ny  heriko
Naleoko  aloha  ho  antonona
Ilay  fatra sandainao
izay setriny eo  ateriko !

Fa any aoriana any ...

Dia aza manontany
Hoe  aiza ho aiza lahy
Aiza indray ho ahy  
ilay fitiavanao!

Tsy nojerenao aho
Ka hiova  tsotra izao.

Ny Eja   2007

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

Sara (14/09/2007 15:07:33)

Mahafinaritra mihitsy ny tononkalonao ry Ny Eja, miantefa aty am-po, raha sitrakao dia mba te hifanoratra mail aminao aho.

nyeja (11/01/2008 03:35:52)

mankasitraka an'i sara, biz

rhina (12/09/2009 16:38:25)

d mbola maneo fisaorana an'i Ny eja sy fankaherezana d mirary soa sy fanambinana hatrany fa tena tsara e!!! tsara sady kanto ny asa soratrao

Rfntr (30/09/2009 09:14:02)

mafinaritra ny kanto malagasy vohizinao Ny Eja ary mankasitraka anao mamentsoventso ny tontonlonay. mankahery hatrany

Hametraka hevitra

Midira aloha