Fanahy Mendrika (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny bikanao sy ny endrika
Niangalian'Ilay Nahary
No sarobidinao voamariko
Fa ilay fanahinao mendrika
Tsotra ka miharihary
Tsy aritro ka nasongadiko.

Ny fitsikinao baliaka
Tiako ery mba hotahafina
Miampy ilay fomba fijery
Miavaka tsy miafinafina

Dia feno ilay fahendrenao
Ny tontolo raha mitafa
Sady ilay firesakao
Mahintsy tsy mba mihafahafa

Tsy mahagaga aho raha sondriana
Nanakorisa indray ilay peniko
Fa henik'ilay fifaliana
Ny ao anaty fa tsy afeniko !

Ny Eja (08/07/2007)
--------
Rohy:
7070 2
Mpakafy: nyeja - felitchita
Hevitra mandeha
DRZK ( 19/07/2007 19:43)
Marina izany ! Iza tokoa moa no tsy ho faly raha feno hatsarana toy izany ilay tiana ? Mahereza Ny Eja a ! Ankafiziko hatrany ny asa-soratrao
nyeja ( 31/07/2007 05:47)
misaotra betsaka an
biz Ny Eja namanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194