Ny Voady omeko anao (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hafa kosa ny ahy
ny voady omena anao
tsy an'ireo sahisahy
ka tononina amin'izao
fa teny tsotra mendrika
ho tanako tsy rendrika
teny mamy iray miventy hoe matokia
fa na ho vato na ho vy
ny fisedrana ny fitia
anao irery anie aho
anao doria doria

impiry moa ny olana nanjo
impiry koa ny adiadintsika roa
ianao tezitra avo feo
izaho nirintona ary avy eo
samy miezaka mba mampitony fo
mifampitsiky kely izay
mifamihina indray
dia miombona fa samy tso po

tsy vola tsy harena tsy mba tombotsoa
no nanefy ny fiarahantsika roa
samy tsy tonga lafatra
ekeko ho anjara lahatra
izay tsy mety andeha harenina avokoa
satria ianao no efa tiako
ianao no nofidiako
isika efa natao mba hiaraka tokoa

Ny Eja 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy
24900 9
Hevitra mandeha
Angolaina ( 11/01/2006 13:10)
fa fitiavana mandrakizay no itiavako anao ...
nyeja ( 13/01/2006 12:06)
misaotra angolaina an , somary tsy tahaka ny mahazatra io voady omeko anao io satria dia tononkira mihintsy .
fiaritiana ( 20/01/2006 22:18)
zany tokoa ny fitiavana!hummmmm
sady efa tononkira mihitsy! te hihaino ny feony aho izany!
Misaotra Ny Eja!
robin ( 29/12/2006 19:54)
e!
Misaotra e!
robin ( 02/01/2007 10:04)
De mbola niverina nankafy teto indray aho satria tiko be ty kanto iray ity
nyeja ( 02/01/2007 10:27)
misaotra Robin a dia mankasitraka akia an'i fiaritiana ianao aloha dia tena mpankafy ahy tena tiako be koa e.
robin ( 03/01/2007 16:23)
De mbola novinakiko indray ity tononkalo ity androany ary omeko isa 5
nyeja ( 01/08/2007 16:55)
hmmm misaotra an
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0289