Ho an'ny Hafa indray - ny eja
Impiry aho no naniry
Olo-tiana tena matotra
Hitantana ahy mba tsy hivily
Raha tojo ny ady sarotra ?
Nefa kosa ho aho ry Ray
Miangavy aho mba itodiho
Ireo nisara-tiana indray
Mba tsiahivinao anio !
Impiry aho no nitia
Matetika toa mangaina
Dia miandrandra mafy ery
Olon-kendry antenaina
Nefa kosa tsy maninona
Ireo nilaozana jerena
Am-polo taona ngarangidina
Miandry mafy ny ho vonjena
Fa aleo aho mba hiaritra
Raha izay no sitrakao
Anio aho tsy mba hiady varotra
Fa hankato izay lahatrao
Ny Eja (Juin 2006 )
Sokajy :
Vavaka
Hevitra mandeha
doum (29/09/2007 13:56:21)
feno fanetre-tena be izy zan.
feno fahatsora-po.
tsara ka
Tohizo fa tsara e
hoy ilay mpakafy ny tononkalonao
DOUM
nyeja (11/01/2008 02:33:11)
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 13/07/2007
Mpamangy : 7510
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao
Fitia niova loko