MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA - ny eja
Azo vakiana?
Nahoana no mandrangitra ady
MASIAKA ianao ry Fiarahamonina
Moa ny tany ve no fady
Sa irony vavan'olona ?
Lazaina tsisy fiheverana
Irony fo izay miara-dia
Satria ny taona mielanelana
Tsy mendrika hifankatia
Lazainao koa fa VOARARA
Raha samihafa ny FIHODIRANA
Tsorinao fa TSY ANJARA
Satria ny MASONAO SAHIRANA ?
Tebahinao fa tena ADALA
Ireo minia mbola miaraka
Satria dia mifandany zara
Ka tsara ho azy ny MISARAKA !
Nahoana, nahoana ho aho nahoana
Nahoana no mandrangitra ady
MASIAKA IANAO RY FIARAMONINA
Moa ny TANY ve no FADY
Sa irony VAVAN'OLONA
O ry fiaraha monina
raha mba fantatrao ahay
ny ao anaty ange tsy hihonona
TSY TE HIHAINO ANAO ZAHAY
Ny Eja, 05 Juin 2007 1 ora maraina
Hevitra mandeha
Ryana (20/08/2007 12:50:27)
(tohiny... fitia voarara...)
ANIO IHANY
Ekeko fa hoe hadisoana,
Fantatro fa hadalàna,
F’anio tiako ho hadinoina
Ireo didy sy ireo fandraràna.
Raha raisina ho fahotàko,
Vonona aho hizaka ny heloko ;
F’anio tsy mba horaràko
Fa hoventesiko sy haveriko.
Tsy hiahotra aho, tsy hisalasala
Hizara ny ao anatiko aho ;
Ka ny rehetra hahalala
Izay nokoboniko hatrizao.
Mety hisy ho tahintohina,
Hilaza fa rediredy ny ahy ;
Hisy ireo himonimonina,
Hiampanga ahy ho ts’isy fanahy.
Fa tsy ahoako izay hiseho,
Tsy ahoako izao rehetra izao
Anio ihany aho, mba ekeo
Hilaza fa hoe « Tiako ianao ! »
Anio ihany…
Ryana
(28/03/07)
nyeja (24/09/2007 05:49:39)
tsara be ilay tononkalonao ry RYana ! mankasitraka
toetra (05/02/2008 22:39:20)
Fiara-monina
Indraindray
Mimonimonina
Mahay
Mitsikera
Tsy ampiheverana
Ny afera
Misentserana !
Ao ny tena
Mampiaiky :
Havan-tena
Sady akaiky
No mahavatra
Fihomezana
Ka mandratra
Taolan-tehezana !
Misaotra Ny Eja
rahonala (16/05/2008 11:07:28)
Aingam-panahy va ny hasikany fiarahamonina?
Andrianina87 (18/07/2012 12:53:52)
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 03/08/2007
Mpamangy : 9050
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao
Fitia niova loko