You are here: home > Vetso

Fitia niova loko - ny eja

Azo vakiana?


Raha toa ka niova loko,
nanjary antra sisa
ilay fitiavanao,
hionona ny foko
miangavy aho  avelao.
Dia avelao hangina
hamafa ny alaheloko,
hanjombona sy gina  
ilay masoandro keliko.

Raha fombafomba sisa
tsy vokatry ny fo,
ilay fiarahantsika
izay manga teo  aloha.
Dia avelao hisaona
ny anaranao aho ry aiko
fa ny miangavy foana
tsy ho vitako, tsy haiko!.

Dia avelao, ho kotsan-dranomaso
manjahatra fa ory  
avelao  hangaina,
aleo aho  hiari-pery
ny lalanao no zory.
Dia aza miasa saina
Raha anio  anie aho  tomany  
aleo fa zakako ihany.  
Ny ho  avy no andrandraiko  
fahanginana no ilaiko.


Ny Eja


Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

pissoa (29/12/2005 08:05:07)

Toy ny tononkalonao efa no vakiako rehetra, dia tsara ity tononkalo ity. Ny hevitra omeny koa mifono herintsaina, tsy fitiavan-tena.

Niezaka naneho hevitra aho tao @ forum, dia averiko eto ilay tonokalo.

pissoa (29/12/2005 08:06:25)

Oops - aleo kay atambatra ao amin'ilay iray efa nisy nanome isa.

fiaritiana (07/01/2006 09:44:42)

tena tsara tokoa ity tononkalo ity ary raha mbola nisy isa mihoatra ny 5 aza dé mbola nanome aho
ehhhhh!

nyeja (10/01/2006 15:00:23)

misaotra akia fiaritiana sy pissoa a Ny Eja namanareo

loloniary (16/01/2006 07:49:05)

aleo mangina tokoa, nefa tsy faharesena koa zany.
mifampitohy hevitra @ tonokalo nosoratako ity tonokalonao ity

nyeja (16/01/2006 10:50:44)

zany ve aiza moa ilay tononkalonao ?misaotra manome hevitra loloniary a

lapino (22/01/2006 09:27:52)

Za koa efa nanome ny hevitro ao amin'ny forum. Tsara ilay tononkalo, ary isan'ny tena mahatsara azy dia izy mitaratra ny fandraisan'ny olona maro ny fitiavana sy ny fiarahana.

nyeja (02/01/2007 10:45:19)

Misaotra lapino a fa dia voarainao ilay hafatry ny mpanoratra .

rabiazazotoavina (02/08/2016 09:10:45)

tsara be mihintsy le tononkalo fa efa ela nga enw no nanortra

Hametraka hevitra

Midira aloha