Adalam-pitia... Adala an (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adalam-pitia...

Adala angamba ianao, hoy ianao nitrerona ahy
Rehefa izaho mba niezaka, nitory ny fitiavako,
Natosikao impiry koa kanefa mbola sahy
fa izany foana mantsy,no masaka ao ambavako

Naveriko ihany anefa, na tezitra tsy fantatro
Fa asanao any, handray na koa handà
Tsy maintsy ho lazaiko, izay fitia mba tsapako
Tsy ahoako izay ataonao, fa fiangaviana ny ahy

Adidy no ataoko, milaza ampahatsorana
Na betsaka ny sipa fa ianao no niantefako
Anjaranao indray manao atsanga tsy aman'orana
Na aza tsy ho poinsa, dia tsy mba hialàko!

Ny tena tia mantsy, tsy moramora kivy
Fa misy ohateny izay hoe:izay tia mahandry
Ka sao mba ianao ihany, ilay anjara-manandrify
Ka aleo iaretako any, na tosika na sandry!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1051 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0325