Ny hatsaranao - Ny Ela Nihetezana
Azo vakiana?
Toy ny kinta-manjopiaka manjelatra eny ambony,
Manampy ny hatsaran'ireo voary... sasak'alina!
Manintona ny saiko sy itony foko itony,
Izato hatsaranao, tsy mba namboarimboarina!!
Toy ny boikan'doharano, miboiboika an'ala
Manaingo ireo kirihitra, sy ireo karazan-kazo
Tsy vitsy ny maniry mba hiantso anao malala,
Ny hatsaranao rahavako, manintona ny maro!
Ny tsikinao endrey, Mambabo ny mpizaha,
Toa fela-midorehitra, maro mpaniry!
Voankazo voaaro ao anatiny saha,
OOh tia anao aho, fa aleoko mikiry!
Ny taratrao mazava, rehefa mandririnina,
arahinao fitsiky somary menamenatra!
Ny vatanao mijajika, iriko ho fihinina
Ny rantsan-tananao, tsy mbola misy peratra!
Ny volonao mirotsaka zay lava tokoa,
Tsy mila anampiana, tsy mila analàna
Ny pitra-masonao, mandona ny fo,
Mitafa aminao zary hahatamàna!
Ny Ela Nihetezana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Ela Nihetezana

Nampiditra : raberyeudesse@gmail.com
Daty : 08/10/2019
Mpamangy : 275
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Nafeninao ny marina,'tamiTiako ianao
Ho an'i dada
Izaho mbola ho namanao ...
Ny fanevako
Androm-pahatsiarovana...
Izany ka poeta !
Ataoko ahoana ny hitia ra
Tsy resiko!
Ireny sarintsika zay nala