You are here: home > Vetso

Ny fanevako - Ny Ela Nihetezana

Azo vakiana?

Ifaliako ny ahy, fa vakoka sy harena
Asandratro ho ambony, ny fotsy maitso mena,
Ifaliako ny ahy, fa tiako ny fanevako,
Saina malagasy, no foto-dreharehako!

Ny loko mena manko, manambara rindrin'ela
Nandoko tamin'izany, ny rindrin-trano teto
Ka rehefa foana ireny, ny saina no tavela
Ho fototra ijoroako, sy rakitry ny vetso!

Ny fotsy ihany koa, dia lokom-pahadiovana,
Manambara foko maro, kanefa mifandray!
Fitia no tarigetra, tsy avelanay ho fongana
Fa entinay milevina, any ambany rangolahy!

Ny maitso kosa anefa, dia loko mahavariana
Manavak'ilay nosy, ho feno zava-boary
Dia io no atambatray, ho maitso fotsy mena,
italahoanay, fitahian-janahary!

Ny Ela Nihetezana

Hametraka hevitra

Midira aloha