Ataoko ahoana ny hitia ra (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko ahoana ny hitia raha tsy tiavina
Ataoko ahoana ny hiteny ,nefa ho lavina
Ampiandrasina kanefa tsy valiana
Ankafizina , kanefa tsy olontiana

Afilaina fa dia miandry fotsiny ihany
Na dia vasoka toa lamba volon-tany
Fa fitia tsy mety rava no ato ampoko
Tsy voafafa toy ny sary hosodoko

Tsy ho sasatra hiandry lava anao
Asa angamba ,efa ianao no hoe handao
Fa ny ahy ry malala ,tsara orina
Tia hatrany na tsy tiavina ,rah tsorina

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1752 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101