Androm-pahatsiarovana... (Ny Ela Nihetezana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androm-pahatsiarovana...Lasa ...sisa fahatsiarovana
Ilay akanim-pahazazana
Ravarava tsy hita soritra
Ilay tanàna nidolana
Toa tsy misy hita intsony
Reo mpitafany fahiny
Tsisy afaka hantsoiny
Fa zay tonga, mpivahiny
Nefa io ilay taloha,
Feno hehy sy koràna
Tsy mba nanam-paharoa
Fa tanàna ,naha-tamàna
Raha topazana avy lavitra
Mahasarika ny saina
Ilaozana ela ,toa tsy ho aritra
Fa tanàna ,nolalaina
Mbola ho avy anefa ny andro
Na ho ela ,na halàky
Hamerenana ireo tsiaro
Hiarana amin'ikaky
Ireo lasa nandalovana
Tsy ho adino ,tsy akory
Fa ny androm-pahatsiarovana
Tsy mba maty , fa matory
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Mpakafy:
gasykr
Hevitra mandeha
gasykr
(
07/06/2019 13:26)
Misaotra e. Tena mahafinaritra!
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ela NihetezanaNampiditra : raberyeudesse@gmail.com
Daty : 07/06/2019 09:04