Tiako ianao (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mavesatra ny vavako hiteny hoe "tiako ianao"
Kanefa raha ny foko, mandidy hoe "ambarao"
Ny feony fisainako no toa mampiahotra ahy
Mahatonga horohoro, sy mahatonga ahy tsy ho sahy!

Dia eto aho miaritra mitia anao mangina
Isan'andro izao, mikasa sy maminavina!
Miady saina foana hoe hilaza ve sa tsia,
Mamerimberin-teny famborahana fitia!

Kanefa tiako ianao... tiako tsotr'izao
Izany no manenika ny ao anatiko ao!
Te hilaza izany aho fa kely ny finoako
Tahotra ny ho lavina, no masaka ao andohako!

Ny antom-pahatahorako, raha tianao ho marihina
Dia sao ho lazainao, tsy mataho-pivadihana!
Isika rahateo, mpinamana akaiky
Ka izany no ahiako, hahatonga anao tsy hanaiky!

Raha tsapanao anefa fa ho anao indrindra
No antony nanoratako ity ainga tsara rindra!
Dia saino sy diniho, fa izaho tokoa ilay namana
Manantena anao mangina sady miandry mba ho tiavina!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
1272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098