Nafeninao ny marina,'tami (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nafeninao ny marina,'tamin'ny fifandraisantsika,
Dia lainga tsy hay takarina, no ataonao fikafika ,
Mba hamitahana ahy !
Fa mantsy ianao ka sahy , handrava finamanana!
hanary fihavanana ;

Tokoa tokoa mihitsy kay, reo tsahon'olom-bitsy !
zay nanaratsy anao !
noheveriko fa ireny ...fanaratsiana atao
hanaratsiana anao !

kinanjo tato aoriana !
nibaribary ihany , izany toetra izany
Fa sahy ianao nihantsy , no sady nanaratsy
ka dia nanangana ady
sy Nisikina ambongady,
ny toetran'olonkafa , zay tsy fanaonao
No sady sahy nandrava, ireo sangy kilalao
Ho ady mangatsiaka,
fa lasa bandy alika
Dia rava teo sahady 'lay fifandraisantsika

Kanefa ireny akory !
Tsy hahasoso-paty, ny fo-ko mitalaho
raha mbola hoe ianao
Satria hatram'izao ,
Izaho...
mbola ho namanao !
(...)
averiiko eto farany, tsy hiova na hilofo
na koa hety miofo,
Fa tsarovy foana izao!!!
izaho...
mbola ho namanao

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
994 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2805