Ambony ny tanana! Vao mi (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ambony ny tanana!

Vao mihetsika eo ialahy, dia ho poahinay tafondro
Fa nataonay antsapaka, dia ialahy no voatondro
Nofidina ialahy no eo, kanjo tsy azo atao sakaiza
Ny mpifidy indray no gisitra, sendra bandy ratsy taiza

Tonga dia, ekeo daholo, sao ialahy hahazo dàka
Ireo halatrao sy fitaka, dia 'zahay no afa-baràka
Noheverinay tokoa, fa ialahy mpitondra malina
Hay antoandro mody tsara, fa mpangalatra aminy alina!

Ela izay fa traingo ihany, ny nafeninao rehetra
Mody hoe ny fifidianana, no ametrahanao fepetra
Ho tsarainay ialahy, fa mpitondra fetsifetsy,
Tsy azo ekena raha ny marina ! miaiky anao 'zahay lehiretsy e

Mihevi-tena mantsy ialahy, fa dia tena tsy ho tratra
Ka dia sahy nanohy ihany, ilay fanao mahazatra
Rehefa tsy mahavita ialahy, avy hatrany dia miala
Fa aza be fanadrohadro, fa ny Gasy tsy adala!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
537 1
Mpakafy: lemady
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017