You are here: home > Vetso

Ireny sarintsika zay nala - Ny Ela Nihetezana

Ireny sarintsika zay nalaina
Dia nangoningoniko hosasaina
Fa ireo no hany sisa tsiaro
Nivetsoako anao efa andro maro

Fa nilaozanao ka tokan-tena
Nanjoretra teo ,ka nahonena
Fa ireny sary no mba namako
Sisa mba fihiniko ao antanako

Mafy lay irery ,nefa indrisy
Zara koa reo sary aza nisy
Tsy nataoko sedram-pahalahelovana
Fa kajiko ho sary fahatsiarovana

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha