You are here: home > Vetso

MAVESATRA - Ny Kanto

Mavesatra

Misy fotoana mavesatra indrindra
Tonga tsy nahy, misoko mangina
Mameno tontolo sy mampangina
Ny fo sy ny saina tojoim-pahoriana

Lany tamingana ny hafaliana
Fa ilay ali-tsy fantam-pihaviana
manitsak’andro no mamirifiry
Tsy zaka zakaina, mavesatra indrindra

Ny Kanto

31 Oktobra 2008

Sokajy : Alahelo, Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha