You are here: home > Vetso

Tsia - Oully

Ritra angamba ilay fitia
Nantenainao hosotroina
Maina, kina tsisy fy
Fanahy iniako novonoina

Niezaka aho ny hamaly
Ilay hiakanao toa mijaly
Na dia ho fihatsarambelatsihy
Saingy sarotra amiko ‘ty fitia

Tokana ny foko
Tsy hozaraina ho anao sy ho azy
Eny hadisoako
Zary hiantsoana ozona sy sazy

Fa ny sori-piainantsika mifanohitra
Sy ireo sakana anoloana
Iriko hanampy anao hanohitra
Ity fitiavana nivoana

Sao hanjary fiantrana
Zato fiangavianao miaro fihantàna
Ka tsofy rano, tsofy rano re
Tsofy rano izahay mba handeha

Fiangaviana farany
“Aza tiavina aho”.

Misaotra.


Andamioly.
Ba…x, 28 Feb. 06

Mombamomba

Mpanoratra : Oully

Nampiditra : Oully
Daty : 28/02/2006
Mpamangy : 1841
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Sanatriaviko
NY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana
Neniko ve ?

Hevitra mandeha

fiaritiana (28/02/2006 17:58:41)

...Tsy fanahy iniako anie ny handrava
Tsy sitrapoko koa ny handao
Fa ny olana izay misy
Eto amiko sy ianao...
Amboaran-tononakaloko io,ny ahy tsy sitra po fa ny ianao fanahy iniana!
mahereza

Oully (01/03/2006 07:31:47)

Iriko tsy ho fanahy iniana saingy tara loatra sa ve hoe tsy anjara.
Mendrika tokoa ilay fitia atolony sy ny antsoantsony ka akory atao raha tokana ny fo?
Misaotra fiaritiana.

bichette (01/03/2006 17:43:35)

aona indray ity tononkalo ity ? ena ;istery be ho ahy, mila fanazavana......

rhevinilsen (17/03/2006 21:10:00)

tena mafinaritra rankizy zany inspiration nareo zany

tena hoatran'tena iainana mits iz zany
hihihi

bichette (14/04/2006 09:30:22)

hum !!!!!! lalina tokoa ny insipratio ry rhevinilsen e ? otran'ny hoe iainana mihitsy

Hametraka hevitra

Midira aloha