Anareo roa - Oully
Azo vakiana?
Ho anareo roa.
Dia i Fa... sy i Sa...
Ary nisy ny endri-pitiavana
Ny fisiana : solon-dreny
Ny fisiana : solon-kavana
Fitia namatotra ireny
Niraisantsika ny sori-tsiky sy ny piti-dranomaso
Nifangaroan’ny fahombiazana sy ny siakan’ny ankaso
Niafenan’irony tsiambaratelo sy ny hoe honohono
Niezahana nialana rehefa fandrika hamono
Dia nisy indray ny endri-pitiavana
Ny fisiana : solon-dray
Ny fisiana : solo namana
Fitia mandra-maty rahatrizay
Io ilay fitiavana
Io ilay “Fanomezantsoa”
Hizarana antom-piainana.
Hanakambana anareo roa
Andamioly.
Hevitra mandeha
bichette (21/03/2006 12:35:03)
aie aie aie aie aie ! saika latsaka ny ranomasoko namaky azy
chipie1 (22/03/2006 06:58:38)
ho any bichette kay lé tononkalo ...
hery (07/07/2006 07:43:44)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 21/03/2006
Mpamangy : 2682
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana
Neniko ve ?