Loko niofo (Oully)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zara raha voamariko
Hamantarako ny hatsarany
Ny lokon’ny fitia

Zara raha zava-batrako
Hankafizako ny hakantony
Nantenaina hifangia

Kanjo ranobe nivatravatra
Tezitra, nasiaka tany ho any
No nanasa tsisy antra
Ity fitia tsisy loto
Hafahafa loko
Ninoana tsy hiofo

Zary raha nitoetra
Hanaingo ny tontolony
Ny lokon’ny fitia

Zara zavatra voafetra
Hiantsoana sahady solony
Ilay hoe ho doria

Kanjo rano nitratrevatreva
Maika handena avy hatrany
Ilay fitia tranoheva
Niloko tena meva,
Saingy niova toa namariparitra
Mora niofo tsy naharitra

Io ilay lokontsika aky
Niofo ny volon’ny fitia

Andamioly
02 may 2006
--------
Rohy:
2683 0
Hevitra mandeha
bichette ( 04/05/2006 12:36)
voalohany indrindra aloha dia omeko isa 5
lalina ny aingam-panahinao oully, toa ohatran'ny hoe tena niainana ....
ahoana moa tompoko no hahaizanao manao tononkalo toa itony tompoko ?
fiaritiana ( 05/05/2006 08:50)
miray hevitra @ bichette zà!tsara be ny aingam panahinao ary tena zava misy mihitsy
tsara aky fa tohizo a!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 04/05/2006 07:03
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099