NY ADIN'NY RENY (Oully)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'ny ankapobeny
Afa-sy ireo olom-bitsy,
Ny anjara-toeran'ny Reny,
Dia tsy mba mora mihitsy !

Ireo vady sy ireo zanaka
Dia mihevitra izy ireny, fa i Neny:
Tsy manana ny fahalemeny,
Tsy tokony hanjombona,
F'ho sariaka, ho be fitia,
Fa raha tsy izany dia hianjona,
Hidongy izahay satria:
i Neny toa tsy tia.

Satrin'izy ireo tokoa ny hitia ny tokatrano,
Hampandroso, hanasoa,
Nefa ireny Reny ireny,
Dia mba manana 'zay ratra tsy omby tratra, izay tsy sitrana eo no ho eo,
Mahatonga azy ho maloka,
Mbetika mivaloharika,
Ireto lohalika halemy,
Indraindray aza,
Zary lasa vitsy teny ;

Isaorana anefa Ianao ry Ray,
Mandrotsaka ny herinao,
Ho an'ny Reny mitalaho,
Fa be fitia tokoa Ianao, tsy mandao,
Te hapianatra ny zanakao,
Ary indrindra hamaly soa,
Sy hampahery hatrany koa.

Luigny le 28 mai 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
3247 2
Hevitra mandeha
tisera ( 10/06/2006 16:59)
misaotra an'ioully mahatsiaro ny adin'ny reny . Tiako be ilay tononkalo
doune ( 07/09/2006 18:28)
reny mpianakaviana iray maneho fisaorana an'ioully mahatsiaro ny ady hatrehiny reny rehetra '
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 28/05/2006 15:52
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01