Neniko ve ? - Oully
Raha nanoratra aho mba hifona
Dia nanaiky fa izaho no diso
Indrindrindra, tsy ho tsaroana
Hanimbàna ny ampitso !
Nefa \'zay fihetsiko izay
No nampiova anao indray
Hanao ahy an-kila-bao
Namolaka ahy (angamba) ianao
Saingy, indrisy ! tara loatra
Efa an-dohalika ny ranom-bary
Ny ranomasoko efa ritra
Nionona \'lay fitiavako nijaly
Eny àry, ... mirary soa
Nifarana teo ny \"Izahay roa\" !
... Dia ho neniko ve ?
Aleo ny fotoana handeha ...
Hevitra mandeha
R-SITRAKA (11/07/2011 09:03:13)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 16/10/2003
Mpamangy : 7086
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana