Ilay - Oully
Azo vakiana?
Ilay fahanginantsika hafahafa
Tamin'io fotoana io
No nahatsapako fa te hitafa
Ilay fitiavantsika vao madio
Ilay masotsika nifanojo
Toa sahy nifampijery
No nanapaka ilay rojo
Namatotra fitiavana niery
Ilay tanantsika nifandray
Miaro hovitra madinika
No vao maika nampiray
Ilay fitiavana voadinika
Ilay lohatsika nifanakaiky
Nampifanatona ilay molotra
No nahatonga ahy hanaiky
Sy avy hatrany dia nanolotra
Ilay teninao nalefaka
Nanonona fitiavana
No ninoako avy hatrany
Fa avy any anaty any.
An'i O....r
(Heritaona lasa)
Sokajy :
Fahatsiarovana, Fitiavana
Hevitra mandeha
bichette (09/01/2006 15:36:52)
hery (17/01/2006 11:54:02)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 06/01/2006
Mpamangy : 2197
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
SERASERA
Fanontaniana
Neniko ve ?