Fanontaniana - Oully
Nahoana izay no fiandohany ?
Nahoana izay no fahotany ?
Nahoana izay no fitomany ?
Nahoana izay no fiafarany ?
Nahoana izahay no nifankatia ?
Ahoana izany tsara ?
Ahoana izany anjara ?
Ahoana izany voarara ?
Ahoana izany hiafara ?
Ahoana raha ho anay ilay fitia ?
Hevitra mandeha
Clarys (03/10/2003 17:23:47)
Novalian'i Rianalando io "Fanontaniana" io ka jereo ao @ clarys fa misy ao.
Oully (05/10/2003 16:18:54)
hery (12/10/2003 17:23:50)
Fanontaniana mivaly fanontaniana...
(Dikan'ny hiran'i Michael Jackson)
Nahoana ny alatsinainy no tonga alohan'ny talata,
Nahoana ny lohataona no miatomboka ny jiona,
Nahoana ny ririnina no tonga aloha loatra
Nahoana ny olona no raiki-pitia
Kanefa avy eo misaraka foana,
Nahoana isika no mitia raha ho faty ny fitiavana...
(ity ny dikany)
Why does monday, come before tuesday
Why do summers start in june
Why do winters come too soon
Why do people fall in love
When they're always breaking up, oh why
Why do we love if love will die
Laaris (07/07/2012 11:03:28)
Ny anjara no azoko valina.
Maro ny fanalahidy
nohon'ny varavarana
F'izay tokana voafidy
no tena lohalaharana
Be ny maso mifanena
Kisendrasendra,tsy natao
Fa misy jery mahajambena
Maharesy tsotr'zao
Maro ny mpifankatia
no ireo mpifahavalo
fa izay natao hiaradia
no miray saona sy kalo
Maro loatra raha ny tsara
tsy ho voaisa,tsy ho lany
Fa ny tena ho anjara
d tokana ihany.
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 03/10/2003
Mpamangy : 3301
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Neniko ve ?