You are here: home > Vetso

Mizarà Fitiavana - Pissoa

Mizarà Fitiavana

Aza sasa-miandry ny kapoakanao hitobaka
Izay vao hikoropaka
Sy hianatra hizara !
F'izao dia mandohara,
Meteza hanome, malalàha-tanana
Na be na kely ananana.

Raha feno loatra mantsy izato eo an-dovia
Ndrao ho neninao satria
Aiza indray no hivoaran'
Irony Fahasoavany ?
Tsy hisy akory toerana mba mety hanampiany
Irony Fitahiany.

Fa ny azony omena ? Tsy ho lany na oviana !
Koa aza ory ampiana
Fa aleo havaoziny
Ny tsiro sy ny paozin'
Ny eo an-dovianao : Hanesory kely,
Fa hotondrahany tantely.

Meteza ary hizara, mba hahafahany manolo
Sy mikolokolo
Ny fiainanao rehetra ;
Fa tena tsisy fetra
Ny memy efa nomaniny : Fitahiana, Fahasoavana.
... Mizarà Fitiavana.

Hametraka hevitra

Midira aloha