You are here: home > Vetso

Tsy fantatrao - Pissoa

(Teo am-pihainoana “You don’t know me” hirain’i Michael Buble)

Noraisinao ny tanako ho mari-piarahabana
Dia vahotra ny vavako, ny foko no nidoboka
F’izao tontolo izao midera ny hatsaran’
Ity raozy kelintsika “fotsy” midoroboka.

Fa tsy fantany ny fiofony rehefa diva haraina
Any am-bohitry ny nofiko ! Tsy hainy vinaniana
F’endrey manopy “mena” izy ao an-jaridaina :
Rehefa any mantsy, mba tia aho sady tiana.

Tsy haiko ny hamboraka ireo nofinofy lalina
Na may te ho anao aza hatramin’ny ambiroa !
Resin-tahotra aho, tsy sahiko takarina
Ny habaka hisangian’ny nofintsika roa.



Noraisinao ny tanako, “Veloma” hoy ianao
Namonjy ny eo anilany … E, ry tsara vintana !
Tsiky no nasetriko satria tsy fantatrao
Izaho ‘lay namanao, tia anao am-pahanginana.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha