Minomino foana (Pissoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa ny minomino raha dinihina, Sakaiza
Ireo manompo sampy ihany, sy ireo manana mpitaiza ?
Mbamin’ ireo izay manantena irony razany hitahy
Ka manao izay fombafomba haharavo ireo fanahy ?

Ny minomino foana retsy tsy ireo tsy Kristianina
Tsy mino an’ Andriamanitra, na ireo mpanota matihanina ;
Ts’ireo miandry ny mpanandro mba handahatra ny fiainany
Na miankina amin’ny mpisikidy hanazava ny fisainany.

Maro ny endrika hisehoan’ny finoanofam-poana,
Fa iray tena fangoloka no tiako habaribary etoana :
Tsisy tandroka ny ratsy mamolavola ny tsy rariny ;
Koa aoka ho mailo sao voafingan’ ireo fandrika velariny.

Firifiry izao ny lainga afafy isan’andro vaky ?
Voakajiny avokoa ny hambaboana anao mpamaky.
Loharanom-pahasambarana hono itsy dobo mampahory ;
Dia iny ianao fa nanovo, tsy nisalasala akory.

Dia nataonao indray migoaka irony lainga sy ny fitaka !
Ny hambom-ponao nomamoiny dia iny ianao fa nibitaka
Nihevi-tena ho olon’afaka, fa ary fanahy sy ary saina.
Indrisy … minomino foana ianao, mbola mora hambakaina.
--------
Rohy:
244 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 08/06/2023 14:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148