Izy ilay Dada - Pissoa
Izy ilay Dada nanao an-tsangory
Fony ireo tongotro tsy nahay namindra
Izy ilay Dada tsy mba azon-tory
Nihevitra izay hahasoa ahy indrindra.
Izy ilay Dada tsy mba mihalangalana
Mananatra hatrany sy mitondra am-bavaka
Izy ilay Dada, mbola manoro lalana
Na efa lehibe aza izao ity zanaka.
Izy ilay Dadako, mamiko indrindra !
Tena masiaka ; nefa tsy honohono
Fa ny fiainako anio no tsara firindra,
Dia izy sy i Neny no nikolokolo.
20 Jiona 2021
Sokajy :
Fianakaviana, Fitiavana
Hevitra mandeha
hery (20/06/2021 19:01:35)
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 20/06/2021
Mpamangy : 465
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SahiaTsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko