Izy ve ? - Pissoa
(Avy namaky ilay "Izaho ve ?" nosoratan’i r.epsilon)
Izy ve ?
Tsaroany tamin’iny
Akanjo tsara pasoka
Tsiky iray tsy sazoka
No nentiny nanafina ny tena adin-tsainy.
Tadidiny nanjombona
Ny mitatao vovonana
Tsy tsikariny akory ny nidifian’ny maraina.
Ny nafenin’ny fitafiny ?
Ny fony rotidrotika ;
Fanahy efa lotika,
Sy nanome tsiny an’Andriamanitra Mpahary
Tamin’ny vavaka nakariny ...
Fa andro sisa isaina
Hatramin’ny maraina !
Tsy sitram-panafody ny zanany, marary.
“
Nahoana ny fitafiko no tsy mba navela ho rovitra
Ka ambanin’ny tetezana aho no hihovitrovitra
Hiaritra ny hatsiaka, tsy hahita izay ho hatelina !
Ka ny sombinaiko, avela mba ho velona ?
“
Tsaroany ianao varian’
Poketra teny an-tanany
Nandrefy ny fananany
Nanombatombam-bidy irony fitafiany ;
Ka tsy hainao nozoviana
Ny masony nitopy
Naniry homena toky.
Fa resy, atopatopan’ny anjara fahoriany.
(3 Oct 2013)
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 21/01/2014
Mpamangy : 2128
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izy ilay DadaSahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Nofinofy lavitra
Hiangaro
Tsy holazaiko