You are here: home > Vetso

Torio fitiavana - Pissoa

Torio fitiavana aho, lazao aho fa tinao
Na tsisy manjamaso ! Na dia fantatrao
Fa vovoka biriky no handokoiko volo
Lazao fa tinao ny amiko manontolo.

Handaingao kely raha tsy ampy ilay fitia
Ny "natoraly" hoe no mendrika satria
Tsy misy fitaka ny hatsaran-tarehiny,
Marina kokoa ny tsiky sy ny hehiny.

Torio fitiavana aho, mba mody hoe ny toetra
No sitrakao indrindra amin'ny haingoko rehetra.
Torio fitiavana aho fa ho valiako zato heny
Ny fitiavanao, ny fonao no handreny.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha