You are here: home > Vetso

Tsy hanoratra - Pissoa

Te hanoratra ho anao aho,
Tiako hotantaraina anao ny hirahiram-boron-kely
Na ny kalo rehefa injay tojo mamy ny tantely ;
Saingy vahotra ny tanako
Ndrao diso izato fitantarako.

Te hanoratra ho anao aho !
Tiako hiantefa any aminao ny bitabitaky ny foko
Ety anivon-jaridaina maro hanitra sy loko !
Saingy avelako ny peniko
Ndrao zavatra hafa no hovoateniko.

Te hanoratra ho anao aho ...
Mba hifanena an-tononkalo ny fitiavanao sy ny ahy
Any no hisantarantsika firaisam-po amam-panahy ;
Saingy aleoko aloha mangina
Ndrao tia aho mantsy fa tsy tiana.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (10/05/2019 17:48:38)

Izaho vao saika faly hoe nanoratra i Pissoa... kay tsy hanoratra hono :-)

Hametraka hevitra

Midira aloha