You are here: home > Vetso

NOFY - Poezita

         *NOFY*

Nofy!
Mpiantsehatra ravaky ny saina
Lokom-pon'ny mpanantena!
Hery vaika tsy hay toaina!
Anaty,ivelan'ny tena.

Nofy!
Sakaizan'ny fitiavana
Mpandonaka tsy ho karakaina
Fa loharano mitomandavana
Ny ao am-po fa tsy maina

Mampitety vazatany
Mampiadidina lohasaha
Nef'izaho toa eto ihany!
F'izy no ody risik' ampizaha

Nofy!
Rakitry ny lasa
Fifaharan'ny maraina
Sady arahan-kasa!
Mba ho To ilay nantenaina

Nofy!
Mampitempo ilay foko faharoa!
Ka itohy ny natiora samihafa fiforonana
Dia ilay AY-ntsika roa!
Re manako injay ilay fiombonana!

            Ny  Poezita

24/08/2017 (Thélo RANDRIANANTENAINA Herizo)

Mombamomba

Mpanoratra : Poezita


Nampiditra : Thelo
Daty : 08/05/2019
Mpamangy : 292
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Hametraka hevitra

Midira aloha